Fanomezana 10 ho an’ny mpanotrona ny mariazy

Maro tokoa ny fanomezana afaka atolotrao ireo namana sy Havana tonga manotrona ny mariazy nao.

Anisan’izany ireto lisitra 10 nomaninay raha toa ka mbola very hevitra ianao mitady izay mety .

Tantely amin’ny tavoahangy kely

Ohatry ny hamamiana eo amin’ny malagasy, ny tantely atao amin’ny tavoahangy dia azo atao fahatsiarovana tsara ho an’ireo izay manotrona anao amin’ny andro malazanao.

miel de madagascar
source:google
huile madagascar
source:google

Diloilo amin’ny tavoahangy kely

Eo amin’ny malagasy ny fanosorana diloilo dia tena zava-dehibe tokoa. Ho fahatsiarovana tsy hay vonoina ho an’ny vahininao ny fanolorana azy diloilo manitra amin’ny tavoahangy kely amin’ny andro iray toa zatonao.

Paquet de dragées

Ny fanolorana vatomamy izay fomba efa fanaon’ny mpivady vao dia tsy mbola hita izay naharatsy azy sady ankafizin’ny olon-drehetra

source:google
source:google

Boite macaron

« Boite macaron », karazana « biscuit » boribory maro loko, atao anatina baoritra voahaingo amin’ny fomba miavaka dia azo atao fanomezana ho an’ireo izay niara-paly taminao tamin’ny lanonam-panambadianao.

Bougies

Raha labozia, indray moa no ho zaraina amin’ny mpanotrona ny raharahanao ? Maro isafidianana izy ireo eny antsena, ao ny manitra, ao ny maka endrika fo, litera …

cadeaux bougies mariage madagascar
source:google
source:google

Biscuits

Ny « biscuit » ihany koa dia azo atao fanomezana ho an’ireo havana aman-tsakaizanao. Atao anaty fitoerany namboarina manokana ho an’ny andro malazanao, ho afapo-ny mpanotrona sady hanana fahatsiarovana mahafinaritra

Porte clé bouchon champagne

« Ny porte clé bouchon champagne », zavatra kely anefa maivana azaon’ny tsirairay entina eny amin’izay misy azy. Ho tsaroan’ny mpanotrona anao foana ny andro iray toa zatonao na aiza na aiza.

Porte clé madagascar
source:google
chocolat de madagascar
source:google

Mini-tablette de chocolat

Ny « sokolà » an’ny madagasikara dia tena tsara indrindra raha maro ireo vazaha manotrona anao amin’ny fetinao. Andramo ange e.

Auto-collant personnalisé

Tsy dia mbola be mpanao koa ny fizarana « auto collant ». Azonao atao ny manisy sarinareo roa, anarana, teny fankasitrahana na koa teny firariana soa.

autocollant
source:google
bracelet madagascar
source:google

Bracelet porte bonheur

Raha fahatsiarovana marina no tianao zaraina ny mpanotrona anao amin’ny andro malaza, inona no tsara mihoatran’ny « bracelet porte bonheur ». Mety ho metaly mety ho vita amin’ny kofehy na ilay atao hoe « bracelet bresilienne ». Ho faly ny vahininao.