Fanomezana 10 ho an’ny mpanotrona ny mariazy
Maro tokoa ny fanomezana afaka atolotrao ireo namana sy Havana tonga manotrona ny mariazy nao.
Anisan’izany ireto lisitra 10 nomaninay raha toa ka mbola very hevitra ianao mitady izay mety .
Tantely amin’ny tavoahangy kely
Ohatry ny hamamiana eo amin’ny malagasy, ny tantely atao amin’ny tavoahangy dia azo atao fahatsiarovana tsara ho an’ireo izay manotrona anao amin’ny andro malazanao.

Diloilo amin’ny tavoahangy kely
Eo amin’ny malagasy ny fanosorana diloilo dia tena zava-dehibe tokoa. Ho fahatsiarovana tsy hay vonoina ho an’ny vahininao ny fanolorana azy diloilo manitra amin’ny tavoahangy kely amin’ny andro iray toa zatonao.Paquet de dragées
Ny fanolorana vatomamy izay fomba efa fanaon’ny mpivady vao dia tsy mbola hita izay naharatsy azy sady ankafizin’ny olon-drehetra

Boite macaron
« Boite macaron », karazana « biscuit » boribory maro loko, atao anatina baoritra voahaingo amin’ny fomba miavaka dia azo atao fanomezana ho an’ireo izay niara-paly taminao tamin’ny lanonam-panambadianao.Bougies
Raha labozia, indray moa no ho zaraina amin’ny mpanotrona ny raharahanao ? Maro isafidianana izy ireo eny antsena, ao ny manitra, ao ny maka endrika fo, litera …

Biscuits
Ny « biscuit » ihany koa dia azo atao fanomezana ho an’ireo havana aman-tsakaizanao. Atao anaty fitoerany namboarina manokana ho an’ny andro malazanao, ho afapo-ny mpanotrona sady hanana fahatsiarovana mahafinaritraPorte clé bouchon champagne
« Ny porte clé bouchon champagne », zavatra kely anefa maivana azaon’ny tsirairay entina eny amin’izay misy azy. Ho tsaroan’ny mpanotrona anao foana ny andro iray toa zatonao na aiza na aiza.

Mini-tablette de chocolat
Ny « sokolà » an’ny madagasikara dia tena tsara indrindra raha maro ireo vazaha manotrona anao amin’ny fetinao. Andramo ange e.Auto-collant personnalisé
Tsy dia mbola be mpanao koa ny fizarana « auto collant ». Azonao atao ny manisy sarinareo roa, anarana, teny fankasitrahana na koa teny firariana soa.

Bracelet porte bonheur
Raha fahatsiarovana marina no tianao zaraina ny mpanotrona anao amin’ny andro malaza, inona no tsara mihoatran’ny « bracelet porte bonheur ». Mety ho metaly mety ho vita amin’ny kofehy na ilay atao hoe « bracelet bresilienne ». Ho faly ny vahininao.
✅️ Livraison partout sur Tananarivo
✅️ Envoi partout en province de Madagascar
Pour passer commande
📲 034 79 332 50 (service client )
Lundi au vendredi 8h30-16h30
Samedi 8h30-12h00
Sauf jour ferié