Nomaninay ireto fanontaniana ireto mba tsy handiso fanantenana anao amin’ny safidinao :
- Ianao ve no haka sary anay amin’ny andromalaza sa manana ekipa azo anankinana an’izany ianao ?
- Afaka mampiseho ny zava-bitanao tamina lanonam-panambadiana anankiray na roa aminay ve ianao ?
- Afaka mihaona aminao ve izahay mba hahafahantsika miresaka bebe kokoa ny fomba fiasanao sy ny zavatra takianay ?
- Firy ny sary omenao anay amin’ny farany ?
- Hafiriana no anomezanao ny sarinay ?
- nona no « support » anomezanao ny sary ? rohina tranonkala ? Clé USB ? Album photo ? sa sary voasasa ?
-
Araky ny tolotra teneninao, inona avy no tafiditra anatin’izay ?
- Ny fotoana fiomanana
- Ny fangalana sary ny fitaoavana sy nyakanjon’ny mpifankatia (akanjomariazy, kiraro, fehezam-boninkazo, firavaka)
- Ny lanonana (any ampiangonana sy any amin’ny firaisana)
- Ny sary miaraka amin’ny namana sy ny finakaviana nasaina
- Ny sarinay mivady mitokana
- Ny ambiansy mandritra ny cocktail
- Ny haingon-databatra sy ny tranom-pilanonana
- Ny «soirée » (fiaraha-misakafo, fanokafana ny lanonana sns…)
-
Otran’ny ahoana ny " tarif " nao ?
- Forfait fiomankomanana hatramin’ny « cocktail » ?
- Forfait fiomankomanana hatramin’ny fanapahana mofomamy ?
- Forfait isaky ny ora lany (8h- 10h- 12h- 14h) ?
Inona no antony ametrahana fanontaniana maro amin’ny mpaka sary?
Mba ho tsara omana ary tsy hisy « surprise » ratsy ilay andro nosafidinareo roa hanehona ny fitiavanareo !
Ny torohevitray androany ho an’ireo izay manomana ny lanonam-panambadianysy izay mitady mpaka-sary :
- Rehefa isafidy mpakasary, dia ampitoviony tolotra fa aza mionona amin’ny vidiny fotsiny ihany
- diniho tsara ny fifandanjana eo amin’ny vidiny sy ny tolotra
- Aza misalasala mametraka fanontaniana amin’ny mpakasary matihanina, afaka manome torohevitra maro anao izy
mba ampirindra tsara ny andro lehibe anao.
« Tsy hoe, manana fankantsary manara-penitra i dadatoa Rakoto dia afaka mamaoka sary manara-penitra amin’ny
andromalazanao »