Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay tsara apetraka ho amin’ny olona izay eritreretinao haka sary anao amin’ny lanonam- panambadianao alohan’ny hanaovanao sonia ny fifanarahana.

Photographe question

Nomaninay ireto fanontaniana ireto mba tsy handiso fanantenana anao amin’ny safidinao :

  1. Ianao ve no haka sary anay amin’ny andromalaza sa manana ekipa azo anankinana an’izany ianao ?
  2. Afaka mampiseho ny zava-bitanao tamina lanonam-panambadiana anankiray na roa aminay ve ianao ?
  3. Afaka mihaona aminao ve izahay mba hahafahantsika miresaka bebe kokoa ny fomba fiasanao sy ny zavatra takianay ?
  4. Firy ny sary omenao anay amin’ny farany ?
  5. Hafiriana no anomezanao ny sarinay ?
  6. nona no « support » anomezanao ny sary ? rohina tranonkala ? Clé USB ? Album photo ? sa sary voasasa ?
    • Araky ny tolotra teneninao, inona avy no tafiditra anatin’izay ?
    • Ny fotoana fiomanana 
    • Ny fangalana sary ny fitaoavana sy nyakanjon’ny mpifankatia (akanjomariazy, kiraro, fehezam-boninkazo, firavaka)
    • Ny lanonana (any ampiangonana sy any amin’ny firaisana)
    • Ny sary miaraka amin’ny namana sy ny finakaviana nasaina
    • Ny sarinay mivady mitokana
    • Ny ambiansy mandritra ny cocktail
    • Ny haingon-databatra sy ny tranom-pilanonana
    • Ny «soirée » (fiaraha-misakafo, fanokafana ny lanonana sns…)
    • Otran’ny ahoana ny " tarif " nao ?
    • Forfait fiomankomanana hatramin’ny « cocktail » ?
    • Forfait fiomankomanana hatramin’ny fanapahana mofomamy ?
    • Forfait isaky ny ora lany (8h- 10h- 12h- 14h) ?
Inona no antony ametrahana fanontaniana maro amin’ny mpaka sary?

Mba ho tsara omana ary tsy hisy « surprise » ratsy ilay andro nosafidinareo roa hanehona ny fitiavanareo !

    Ny torohevitray androany ho an’ireo izay manomana ny lanonam-panambadianysy izay mitady mpaka-sary :
  • Rehefa isafidy mpakasary, dia ampitoviony tolotra fa aza mionona amin’ny vidiny fotsiny ihany
  • diniho tsara ny fifandanjana eo amin’ny vidiny sy ny tolotra
  • Aza misalasala mametraka fanontaniana amin’ny mpakasary matihanina, afaka manome torohevitra maro anao izy mba ampirindra tsara ny andro lehibe anao.
« Tsy hoe, manana fankantsary manara-penitra i dadatoa Rakoto dia afaka mamaoka sary manara-penitra amin’ny andromalazanao »