Ahoana no ahafantarana fa « professionnel » ny prestataire anakiray alohan’ny anaovana sonia ?

prestataire-pro-mg
Na mitady mpikarakara lanonana, na mpaka sary, na mpanao volo sy tarehy, na mpikabary na mpanafana lanonana, na toerana fandraisana mariazy, dia tsara fantatra dieny mialoha hoe professionnel tokoa ve ilay olona nokasainao ho alaina .

Tena professionnel ve ilay prestataire ?

Maro ny mpifankatia mikasa ny hiroso @ fanambadiana no mametraka io fanontaniana io .

Izahay ekipan’ny Mariagegasy dia faly manolotra ho anao santionany vitsy afatarana fa professionnel tokoa ny prestataire anakiray Ireto manaraka ireto :

  1. Vonona ny hiaona aminao mivantana izy ahafahanareo miresaka fa tsy mila mpanelanelana.

  2. Raha toa ka misy ny tsy fahafahana mihaona dia manasa anao izy hifampiresaka an-taroby na koa mifanoratra @ alalan’ny tambajotra zay afahana mitahiry antsoratra ireo teny nifanarahana.

  3. Tonga ara-ptoana izy, ary ra misy ny olana tsy atongavany @ora nifanarahana dia mialatsiny ary mampandrehaanao mialoha .

  4. Miheno anao izy alohan’ny hanehony ny tolotra zay efa nomanininy, miezaka izy maka sary an-tsaina izay tena hetahetanao.

  5. Manampy ary manome torohevitra anao izy na mbola tsy tapak’hevitra ny hiara miasa aminy ary ianao.

  6. Miresaka mangarhara izy ary tsy manafina inon’inona momba ny tolotra asehony. Azavainy mialoha ra sendra misy vola fanampiny tokony alohanao mba tsy hisian’ny disadisa.

  7. Raha sendra misy ny tsy fifanarahana @ resaka tolotra dia miezaka izy itady marimaritra hiraisana fa kosa tsy manery anao hividy na koa anosika anao anao sonia fatany ny fifanarahana.

  8. Mampiseho anao santionany @ asany izy

    • Raha toa ka mpikarakara sakafo, na mpanaingo sns… dia mampiseho sary vitsy anao izy
    • Raha to izy ka mpaka sary dia asehony anao ny « portfolio » santionan’ny mariazy vitany manomboka @ fiomanan’ny mpanambady ka hatramin’ny fanapahana mofomamy
    • Raha toa izy ka mpanafana lanonana dia mampiseho profo @ alalan’ny sary mihetsika @ zay mpanambady efa niara niasa taminy
    • Raha toa izy ka topon- trano fandraisana mariazy, dia tsara tokoa ra manantona azy mivantana ianao mijery ny momba ilay toerana.

  9. Ra toa ka misy fanontaniana ilanao valiny dia mamaly anao tsy mangatak’andro izy na an-tsoratra na an-taroby . .

Torohevitra:

  • Ho anao mikasa ny hiroso @ fanambadiana, aza adino fa rehefa mahatoky ny  » prestataire » ianao dia milami-tsaina @ ilay andro lehibe anakiray nosafidinao
  • Ho anao  » prestataire » , mahaiza mitondra tena fa ra mpanambady iray no afapo tanteraka @ tolotra arosonao dia mety mitondra mpanjifa hafa ho anao izy.