Tokony hasaina daholo ve ny olona rehetra mandritra ny mariazy – fanambadiana ?

Ny isan'ny mpanotrona fanambadiana malagasy

Image : Pi Maso Evénementiel
Alohan’ny hizarana ny fanasana dia tokony ho fantatra ireo isan’ny olona tiana hasaina hanotrona ny mariazy eto Madagasikara. Eny satry ho eo daholo ireo akaiky rehetra, ireo namana, fianakaviana ihany koa. Matetika anefa dia ilay fahafa-manefa no mibahana io nofinofy io. Mampisavoritaka ny saina ary mampiteraka disadisa io safidy io matetika.

Mba hanampina anao be be kokoa ami’ny fandaminana tsy misy nenina dia ireto misy torohevitra vitsivitsy azo arahina.

Fero arakarak’ilay fahefa-mividy ny isan’ny mpanotrona

Amin’ny malagasy dia ny fanambadiana dia fizarana hasambarana amin’ireo fianakaviana sy akaikin’ny fo rehetra.

Manomboka amin’ny vodiondry sy ny soratra hatramin’ny fanamasinana, dia fotoana mampihetsi-po sy fifaliana ho an’ny mpanambady sy ny mpanonontrona ihany koa ny mariazy.

Na tiana hasaina daholo aza ny fianakaviana rehetra, ny namana, ny mpiara-miasa, ny mpiray vodirindra sy ny mpiara-mivavaka dia Ilaina foana ny mahafantatra mialoha ny ny fehimbola natokana ho an’ilay fanambadiana.

invitation malagasy

Image : Optimum-inspirations

Soa fa tsy misy lalàna manokana mifehy ny isan’ny olona tiana asaina

  • Raha misy ny hoe enti-manana hanomana fety lehibe dia tsara tokoa ny manasa ireo tiana rehetra tsy an-kanavaka ho tonga anontrona.
  • Raha tiana tsy haoraka sy hiely loatra anefa ny mariazynao satria safidinao manokana zay, dia tsara ra ireo fianakaviana sy tena akaiky ihany antsoina anontrona.
  • Raha toa aka vofetra tokoa ny fehimbola natokana ho an’io andro ray io dia eo in’ny 100 eo ny isan’ny olona asaina efa azo lazaina fa antoniny .

Torohevitra kely mba tsy handaniana fahatany anefa tsy hanavahana:

Eny, fanirian’ny rehetra ny hanotrona ilay fotoana mamy. Ny fehimbola ho laniana anefa efa fantatra araka ny fanomanana.

  • Alefao mialoha ny  » invitation  »
    Mba tsy hampisy fanavakavahana dia tsara asaina mialoha ireo fianakaviana tena akaiky anao indrindra, miaraka amin’ny famehezana ireo isan’ny olona zay hanotrona.
  • Farito anatin’ny « invitation » ny isan’ny olona asaina
    Afaka soratana mazava sy faritana ao anatin’ilay fanasana tsara mihintsy ny isan’ny olona asaina isan-tokatrano mba tsy hisian’ireo olona tonga tsy nasaina.
    Toy izay ihany koa ho an’ireo mpiara-miasa, ny mpiray vodirindrina ary ireo namana .

« Tongava soa ilay andro malaza »