Message d’une wedding Planer dédié aux prestataires mariages à Madagascar

Ity indray dia hafatra ho antsika prestataire namana efa niara niasa sy mbola hiara hiasa foana 😊

Aoka ry reto isika mba samy hanatanteraka tsara, amin’ny antsakany sy andavany ny zavatra nifanarahana, mba atao amin’ny fo ny asa, ary mba ho samy matianina amin’ny asa nankinina amin’ny tsirairay amitsika avy 😊

Isika anie hikarakara mariazy foana e, fa tadidio kosa fa miankina amitsika ny aha bon ou mauvais souvenir an’io andro RAY, TOKANA (tsy hisy hotranio intsony!) ho an’ny client atsika 😊

Aoka mba tsy isika no hananany alahelo fa hoe nanimba sy nanala baraka anazy aminio andro io!

Ny anay moa zany fikarakarana sady fanaraha maso, raha misy zavatra ataonareo tsy mety any ho any, amin’ny anaranay no signé ny contrat, izahay ihany no fantatrin’ny client, ka na tsy avy aminay ary ny olana dia tsy maintsy hisy fiantraikany aminay izany. 😊

Kouny a, na ho anay na tsy ho anay, mba ataovy tsara re ny asa, aza simbaina fa tena mampalehelo be mahita an’ilay couple simba ny fetiny, tokony ho meilleur souvenir lasa potika be lay image n lay andro. Tsy mora taminy ny nitady ilay matetika vola be nangalana atsika.

Misaotra betsaka an 😊 Dia mbola hitohy foana ny fiaraha miasa… ❤

Am-pitiavana be ❤

Etincelles du bonheur