FETIN’NY MPIFAKATIA – MADAGASIKARA

Tsy ho ela, efa tena antomotra ny andron’ny mpifankatia. Betsaka ireo zavatra na hetsika azo hanamarihana izany. Maro tokoa ary azonao isafidianana miankina amin’ny toetoetrao, ny an’ny aingam-panahinao sy ny olon-tianao nefa izany.

Inona ary no mba tianareo roa kely atao amin’ny andro’ny Saint Valentin na koa hoe fetin’ny mpifakatia ? Tafiditra amin’ireto hetsika 8 maro mpakafy indrindra ve ny zavatra nokasainao atao amin’ny 14 Febroary?



1-Diner aux chandelles:

Raha adika tsotsotra amin’ny teny Malagasy dia sakafo harivan’ny mpifankatia anatin’ny fahanginana ravahina jiro malefadefaka izy ity. Ny trano fisakafoanana tena tsara indrindra eto amin’ny renivohitry Madagasikara dia tena mety hanampy anao ahatonga lafatra io fotoana io. Ka inona no tianao Tamboho sa Restaurant la Vanilla, ?

source: google
source: google

2-Fitsangantsanganana :

Na an-tongotra, na amin’ny fiara, dia tena be mpanao ity hetsika ity rehefa andron’ny mpifankatia. Raha misafidy ny atsimon’ny nosy ianao, dia manasa anao ny mariagegasy anandrana ny “spécialité”n’ny “coin du foie gras”.

3-Mijanona ao antrano:

Miaraka amin’ilay malala ao antrano, moa misy zavatra tsara mihoatra noho izany ve amin’ny mpivady efa ela niarahana. Mba ovaina kely ny endriky ny trano sy ny sakafo amin’io dia tena ho lafatra ny tontolo andro. Ho an’ireo izay tia sakafo “méditerannéenne” dia afaka mikarakara izany ho azy ny Oriental etsy Ambodivoanjo.

gateau en amoureux
source: google

4-Fangatahana ny tanan-drazazavavy:

Izany no nofinofin’ny vehivavy rehetra rehefa tonga ny 14 Février. Ampiarahana amin’ny raozy mena kely tokana. Aoka fotsiny, hotsaroany mandrakizay io andro io.

5-Fijerena horonan-tsary mihetsika:

Efa misy toerana anankiroa natokana ho amin’izany eto Antananarivo amin’izao. Aiza no tianao? Plazza Ampefiloha sa CINEPAX

source: google
source: google

6-Shopping :

Fiantsenana hoy ny malagasy. Tsy dia tia an’izy io loatra ny lehilahy hany ka maro no nisafidy an’io hetsika io mba hanehoany ny fitiavany ny 14 Febroary. Faly ery ny vehivavy izay sendran’io fanomezana io an. Tana City amin’ny La Route des Hydrocarbure eo manome toky. Betsaka ireo tranombarotra ao aminy afaka manome safidy amin’ny fanomezana.

7-Cabaret/concert:

Am-bolana maro mazàna no hanomanan’ny mpanakanto ity andro ity. Raha eto Madagasikara dia azo inoana fa ho ambohim-pihaonan’ny mpanankato sy ny mpankafy azy ny toeram-pilanonana rehetra amin’ny andron’ny mpifankatia.

source: google
source: google

8-Fialàna sasatra:

Tena mety tokoa ho amin’ny fakana aina ny Saint Valentin. Raha mijery ny tolotry Vaniala ery vontovorona ny mpifankatia iray dia hianoka fahafinaretana sady hitombo ny fahasalamana noho ireo vokatra vita malagasy.