- Vous êtes ici :
- Accueil ›
- Conseils
- Inona ny « sujet » azo hanaovana kabary mandritran’ny Fanambadiana na mariazy ?
Inona ny « sujet » azo hanaovana kabary mandritran’ny Fanambadiana na mariazy ?

Fotoana izao hampivoarana tanteraka io fomba malagasy io eto Madagasika. mba hanomezana tsirony sy hafanana ary fihetsehimpo be be kokoa amin’ny fanambadiana . Afaka handray fitenenana ny rehetra rehefa voakaly tsara zany mba hanafana tanteraka ny lanonana.
Ilay fandrasam-pitenenan’ny mpanambady
Hevitra vitsivitsy :- Mifampitory fitiavana
Mampihetsi-po tokoa ny maheno ireo mpivady vao mifampitory fitiavana mandritra ilay andro iray toa zato ! Io ilay fotoana idealy hanaporofoana ny rehetra ny fifankatiavandry zareo hatrizay sy hidradrana ilay afom-pitiavana.
Sahia mandray lahateny lafatra hampidoboka ny fon’ilay silampanahinao amin’ireo teny mamy indrindra izay misy. - Tantarao ireo dingana nolalovana teo am-pikarakarana ny mariazy
Afaka zarainao amin’ireo nasaina ihany koa ireo dingana rehetra efa niara-nolalovanareo roa nandritra ny fikarakarana ny lanona.
Atao izany mba hampietsipo sy hanisy hatsikana kely mandritra ilay fotoana. - Tantarao ilay andro nifankalalanareo roa voloalohany
Eny, mety ihany koa raha tantaraina amin’io andro ray io ilay voaloam-potoananareo reo, ilay toerana nihaonanareo na koa ilay fangatahina sy ny fihetsik’ilay mpanjakavavinao. - Isaory ireo tonga nanontrona amin’ny mariazy
Ry mpanambady, Aza adino ihany koa ny misaotra ireo akaiky anao rehetra sy ireo mpanotrona voahasa mandritra ny kabary satria ra tsy nisy azy ireo dia tsy tonga amin’izao fotoana izao ianareo roa .
Anareo ny fitenena ry havana nasaina rehetra !
Andro iray to zato natokana ho azy mivady io andro io .Ho anareo mpanontrona akaiky zy ireo, maro ny kabary afaka atolotrareo anamarihina izany :
- Tantarao Ireo fotoana nahafinaritra
Tantarao ireo fotoana mamy nifampizaranareo tamin’izy roa . - Tanisao ireo toetra mampiavaka azy roa
Azonao atao ny mitanisa ireo toetra tsara ananan’izy roa, ireo endrika itanao fa mampiavaka azy ireo amin’ny hafa . Mba hampiomehy ny mpanontrona dia mety ihany koa ny mitatara ireo ditraditra kely fa kosa tsy natao hanalam-baraka .
Mitady olona zadraharaha hanafanana lanonana ve ianao ?
Tsidio ny pejy « Animations »
✅️ Livraison partout sur Tananarivo
✅️ Envoi partout en province de Madagascar
Pour passer commande
📲 034 79 332 50 (service client )
Lundi au vendredi 8h30-16h30
Samedi 8h30-12h00
Sauf jour ferié