- Vous êtes ici :
- Accueil ›
- Conseils
- Ahoana no ahafantarana fa « professionnel » ny prestataire anakiray alohan’ny anaovana sonia ?
Ahoana no ahafantarana fa « professionnel » ny prestataire anakiray alohan’ny anaovana sonia ?

Tena professionnel ve ilay prestataire ?
Maro ny mpifankatia mikasa ny hiroso @ fanambadiana no mametraka io fanontaniana io .Izahay ekipan’ny Mariagegasy dia faly manolotra ho anao santionany vitsy afatarana fa professionnel tokoa ny prestataire anakiray Ireto manaraka ireto :
- Vonona ny hiaona aminao mivantana izy ahafahanareo miresaka fa tsy mila mpanelanelana.
- Raha toa ka misy ny tsy fahafahana mihaona dia manasa anao izy hifampiresaka an-taroby na koa mifanoratra @ alalan’ny tambajotra zay afahana mitahiry antsoratra ireo teny nifanarahana.
- Tonga ara-ptoana izy, ary ra misy ny olana tsy atongavany @ora nifanarahana dia mialatsiny ary mampandrehaanao mialoha .
- Miheno anao izy alohan’ny hanehony ny tolotra zay efa nomanininy, miezaka izy maka sary an-tsaina izay tena hetahetanao.
- Manampy ary manome torohevitra anao izy na mbola tsy tapak’hevitra ny hiara miasa aminy ary ianao.
- Miresaka mangarhara izy ary tsy manafina inon’inona momba ny tolotra asehony. Azavainy mialoha ra sendra misy vola fanampiny tokony alohanao mba tsy hisian’ny disadisa.
- Raha sendra misy ny tsy fifanarahana @ resaka tolotra dia miezaka izy itady marimaritra hiraisana fa kosa tsy manery anao hividy na koa anosika anao anao sonia fatany ny fifanarahana.
- Mampiseho anao santionany @ asany izy
- Raha toa ka mpikarakara sakafo, na mpanaingo sns… dia mampiseho sary vitsy anao izy
- Raha to izy ka mpaka sary dia asehony anao ny « portfolio » santionan’ny mariazy vitany manomboka @ fiomanan’ny mpanambady ka hatramin’ny fanapahana mofomamy
- Raha toa izy ka mpanafana lanonana dia mampiseho profo @ alalan’ny sary mihetsika @ zay mpanambady efa niara niasa taminy
- Raha toa izy ka topon- trano fandraisana mariazy, dia tsara tokoa ra manantona azy mivantana ianao mijery ny momba ilay toerana.
- Ra toa ka misy fanontaniana ilanao valiny dia mamaly anao tsy mangatak’andro izy na an-tsoratra na an-taroby . .
Torohevitra:
- Ho anao mikasa ny hiroso @ fanambadiana, aza adino fa rehefa mahatoky ny » prestataire » ianao dia milami-tsaina @ ilay andro lehibe anakiray nosafidinao
- Ho anao » prestataire » , mahaiza mitondra tena fa ra mpanambady iray no afapo tanteraka @ tolotra arosonao dia mety mitondra mpanjifa hafa ho anao izy.
✅️ Livraison partout sur Tananarivo
✅️ Envoi partout en province de Madagascar
Pour passer commande
📲 034 79 332 50 (service client )
Lundi au vendredi 8h30-16h30
Samedi 8h30-12h00
Sauf jour ferié