- Vous êtes ici :
- Accueil ›
- Conseils
- Tokony hasaina daholo ve ny olona rehetra mandritra ny mariazy – fanambadiana ?
Tokony hasaina daholo ve ny olona rehetra mandritra ny mariazy – fanambadiana ?

Image : Pi Maso Evénementiel
Mba hanampina anao be be kokoa ami’ny fandaminana tsy misy nenina dia ireto misy torohevitra vitsivitsy azo arahina.
Fero arakarak’ilay fahefa-mividy ny isan’ny mpanotrona
Amin’ny malagasy dia ny fanambadiana dia fizarana hasambarana amin’ireo fianakaviana sy akaikin’ny fo rehetra.Manomboka amin’ny vodiondry sy ny soratra hatramin’ny fanamasinana, dia fotoana mampihetsi-po sy fifaliana ho an’ny mpanambady sy ny mpanonontrona ihany koa ny mariazy.
Na tiana hasaina daholo aza ny fianakaviana rehetra, ny namana, ny mpiara-miasa, ny mpiray vodirindra sy ny mpiara-mivavaka dia Ilaina foana ny mahafantatra mialoha ny ny fehimbola natokana ho an’ilay fanambadiana.

Image : Optimum-inspirations
Soa fa tsy misy lalàna manokana mifehy ny isan’ny olona tiana asaina
- Raha misy ny hoe enti-manana hanomana fety lehibe dia tsara tokoa ny manasa ireo tiana rehetra tsy an-kanavaka ho tonga anontrona.
- Raha tiana tsy haoraka sy hiely loatra anefa ny mariazynao satria safidinao manokana zay, dia tsara ra ireo fianakaviana sy tena akaiky ihany antsoina anontrona.
- Raha toa aka vofetra tokoa ny fehimbola natokana ho an’io andro ray io dia eo in’ny 100 eo ny isan’ny olona asaina efa azo lazaina fa antoniny .
Torohevitra kely mba tsy handaniana fahatany anefa tsy hanavahana:
Eny, fanirian’ny rehetra ny hanotrona ilay fotoana mamy. Ny fehimbola ho laniana anefa efa fantatra araka ny fanomanana.- Alefao mialoha ny » invitation »
Mba tsy hampisy fanavakavahana dia tsara asaina mialoha ireo fianakaviana tena akaiky anao indrindra, miaraka amin’ny famehezana ireo isan’ny olona zay hanotrona. - Farito anatin’ny « invitation » ny isan’ny olona asaina
Afaka soratana mazava sy faritana ao anatin’ilay fanasana tsara mihintsy ny isan’ny olona asaina isan-tokatrano mba tsy hisian’ireo olona tonga tsy nasaina.
Toy izay ihany koa ho an’ireo mpiara-miasa, ny mpiray vodirindrina ary ireo namana .
« Tongava soa ilay andro malaza »
✅️ Livraison partout sur Tananarivo
✅️ Envoi partout en province de Madagascar
Pour passer commande
📲 034 79 332 50 (service client )
Lundi au vendredi 8h30-16h30
Samedi 8h30-12h00
Sauf jour ferié